
Fifaninana “tantara foronina” iarahana amin’ny Sunrise Academy Moramanga sy ny vondron’olona miteny Esperanto ao Moramanga,vatsian’ny Université de Seville Espagne vola
TIA MANORATRA ve ianao? Maniry ve ianao mba ho vakiana eny anivon’ny sekoly na oniversite ny asa soratra novokarinao?
NATAO HO ANAO mihitsy ity fifaninana “tantara foronina” ity koa mandraisa anjara
MPANDRAY ANJARA
Misokatra ho an’ny teratany Malagasy manerana an’I Madagasikara ny fifaninana, izay misokajy toy izao:
- Ankizy: 09-13 taona
- Tanora : 14 -20 taona
- Olon-dehibe: 20 taona noho miakatra
LOHAHEVITRA
Ny vehivavy sy ny fiarahamonina
Ny fanandratana ny kolotsaina
Ny mahazava-dehibe ny tenindreny
FEPETRA MAHAKASIKA NY LAHATSORATRA
« Tantara foronina » na « Contes » amin’ny Teny Malagasy Ofisialy.
Voanteny 500-1000 isa no mandrafitra azy
“Police Times New Romans 12, justifiée” no ampiasaina.
Ny lahatsoratra dia tsy mbola navoaka na nanaovana fifaninana na ihany koa nantonta boky.
NY LOKA hozaraina dia toy izao manaraka izao, araky ny sokajiny avy:
- Laharana voalohany: Vola 70€ + boky sy fitaovam-pianarana
- Laharana Faharoa:Vola 50€ + boky sy fitaovam-pianarana
- Laharana Fahatelo: Vola 30€ + boky sy fitaovam-pianarana
IREO LAHATSORATRA MENDRIKA indrindra isan-tsokajiny dia halefa any amin’ny Université de Seville mba haparitaka eran’ny Afrika aorian’ny fandikanteny hatao.
ANGATAHO ny taratasy fandraisana anjara ao amin’ny rcl.alisoa4@gmail.com
ALEFASO mailaka na fesiboky ny asa soratrao, amin’ny endriny PDF
Adiresy mailaka:
Vondrona Fesiboky:
Sunrise Love and Serve group: English Club and charity work
Ho antsika avy ao Moramanga dia azo atao ny maka mivantana ny taratasy fisoratana anarana sy manatitra ny asa soratra vita printy amin’ireto toerana ireto:
Sunrise Academy Ambodiakondro
ny Akany Gazela Moramanga
Daty fara-fandraisana anjara : 06 Septambra misasakalina