Madagaskaro

Fifaninana “tantara foronina” iarahana amin’ny Sunrise Academy Moramanga sy ny vondron’olona miteny Esperanto ao Moramanga,vatsian’ny Université de Seville Espagne vola

TIA MANORATRA ve ianao? Maniry ve ianao mba ho vakiana eny anivon’ny sekoly   na oniversite ny asa soratra novokarinao?
NATAO HO ANAO mihitsy ity fifaninana “tantara foronina” ity koa mandraisa anjara
MPANDRAY ANJARA

Misokatra ho an’ny teratany Malagasy manerana an’I Madagasikara ny fifaninana, izay misokajy toy izao:

  • Ankizy: 09-13 taona
  • Tanora : 14 -20 taona
  • Olon-dehibe: 20 taona noho miakatra
LOHAHEVITRA

Ny vehivavy sy ny fiarahamonina

Ny fanandratana ny kolotsaina

Ny mahazava-dehibe ny tenindreny

FEPETRA MAHAKASIKA NY LAHATSORATRA

 « Tantara foronina » na « Contes »   amin’ny Teny Malagasy Ofisialy.

Voanteny 500-1000 isa no mandrafitra azy

“Police Times New Romans 12, justifiée” no ampiasaina.

Ny lahatsoratra dia tsy mbola navoaka na nanaovana fifaninana na ihany koa nantonta boky.

NY LOKA hozaraina dia toy izao manaraka izao, araky ny sokajiny avy:

  • Laharana voalohany: Vola 70€ + boky sy fitaovam-pianarana
  • Laharana Faharoa:Vola 50€ + boky sy fitaovam-pianarana
  • Laharana Fahatelo: Vola 30€ + boky sy fitaovam-pianarana

IREO LAHATSORATRA MENDRIKA indrindra isan-tsokajiny dia halefa any amin’ny Université de Seville mba haparitaka eran’ny Afrika aorian’ny fandikanteny hatao.

ANGATAHO ny taratasy fandraisana anjara ao amin’ny rcl.alisoa4@gmail.com  

ALEFASO  mailaka na  fesiboky ny asa soratrao, amin’ny endriny PDF

Adiresy mailaka:

rcl.alisoa4@gmail.com

 Vondrona Fesiboky:

Sunrise Love and Serve group: English Club and charity work

Ho antsika avy ao Moramanga dia azo atao ny maka  mivantana ny taratasy fisoratana anarana sy manatitra ny asa soratra  vita printy  amin’ireto toerana ireto:

Sunrise Academy Ambodiakondro

ny Akany Gazela Moramanga

Daty fara-fandraisana anjara : 06 Septambra misasakalina

Comments ( 3 )

  1. Fafah
    Saluton al cxiuj, Koran dankon kara Unika pro viaj efortoj realigo cxi tiun retejon.Estas la unua fojo ke mi vizitas gxin. Ni disdonos la premion morgau kaj Esperas ricevi la atestilon en PDF formato hodiau se eblas.Tiele, ni povas doni la atestilon kun premio. Amike, Fafah, teamo Madagaskaro
    • Vicente Manzano-Arrondo
      Kara Fafah, estas plezuro vidi vin en NIA retejo!
  2. Unika
    Bonege! Mi ĝojas ke vi sukcese ensalutis en ARKALKI!

Leave a reply

Your email address will not be published.

You may use these HTML tags and attributes:

<a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>